<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 (Maintimolaly)

[V2]
 Matahora, mangovita,
 Fa, indro ! ny devoly
 No mihendry hisambotra
 Ny saintsika rehetra ;
 // Miambena //
 Ka mivavaha tsara. (in-2)

[V3]
 Mifalia, mivavaha,
 Jeso no arontsika,
 Manaraha ny teniny,
 Fa hovonjeny isika ;
 // Tano Izy //
 Hahazoana aina. (in-2)

[V4]
 Manandrata feo hihira
 Hidera an'i Kristy,
 Hanome voninahitra
 An'Andriamanitra
 // Tompontsika //
 Fa marina izany. (in-2)</lyrics>
<title>(Maintimolaly) FFPM644</title>
<hymn_number>644</hymn_number>
</song>